Tamin’ny 5 taona lasa, hoy ny mpamokatra fanamiana kandida amin’ny fifidianana iray na irony mpanao T Shirt irony, iray volana mialoha ny fampielezan-kevitra dia efa saika tototry ny famandrihana T Shirt izahay.
Tamin’ity anefa, hatramin’izao dia mbola saiky resaka fotsiny no nifanaovana amin’ny ankapobeny. Ireo sahy mifanaraka indray dia tena miady varotra be, raha misy, hoy ny hafa. Raha 4000 ariary ny vidin’ny T Shirt 1 ho an’ny lamba “Nylon”, tamin’ny tamin’ny taona 2013 dia mbola io ihany no hanaovanay azy amin’izao fotoana izao fa tsy misy sahy raha vao mampiakatra, hoy hatrany ny fitarainan’izy ireo. Ny kandida sasany aza mbola mahavita mandresy lahatra ireo namana hafa hampidina io vidiny io ho 2500 ariary. Ny lamba “coton” izany moa, hoy izy ireo, dia efa tsy resahana intsony satria 10.000 ariary ny 1. Marina fa an’arivo sy an’aliny maromaro ireo famandrihana voaray rehefa misy fa na izany aza tena maina ny tsena, hoy ireo mpiangaly soratra amin’ny lamba na “confectionneur”. Ny vidin-tsolika sy vidim-piainana, hoy izy ireo, tsy mitsaha-misondrotra kanefa ny tsena sy ny asa miha tsy misy. Ireo kandida tokoa ve no efa tapa-kevitra ny tsy hizara T Shirt intsony fa mba hampanjaka foto-kevitra amin’izay sa tena manidy poketra, araka ny ambaran’ireo mpivarotra ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.