Nihaona sy nifampidinika mikasika ny olan’Antananarivo Renivohitra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny voakasika omaly, nahitana ny solontenan’ny mpanjifa, ny mpitatitra, ny mpitandro ny filaminana notronin’ny kaominina
Antananarivo Renivohitra. Nivoitra nandritra izany fa ny resaka fifamoivoizana no anisan’ny tena olana goavana indrindra amin’izao, antony miteraka ny fitohanana etsy sy eroa. Nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina nandritra izany ary fa hihatra tsy ho ela eto amintsika amin’izay ilay lalàna misintona ny taratasy fahazoan-dalana mamily na ny « permis de conduire » ho an’ireo mpamily fiarakodia tsy manara-dalàna. Efa nivoaka ny didy hitsivolana mikasika izany raha araka ny fantatra ihany saingy ny fampiharana azy no sisa. Lalàna vaovao io, hoy hatrany ny kaominina saingy tsy maintsy hampiharina hahafahana mamaha amin’ny ampahany ny fitohanana eto an-drenivohitra. Hihatra manomboka amin’ny volana martsa izany, raha araka ny fantatra ihany. Mikasika ireo mpitandro ny filaminana makamaka fahatany ny antontan-taratasin’ny fiara kosa indray dia hatsangana ihany koa ny kaomisiona hanara-maso azy ireny ka hisy ny fanaovana PV hataony ho an’ireo manao ny asany ara-dalàna raha hiseho lany avy hatrany kosa izany ho an’ireo maka vola fotsiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.