Actualités

Mory Clément “Mampivarahontsana ny zava-misy any Toliara”


  • Zoma 28 Janoary 2011

Mampivarahontsana ny zava-misy ara-toekarena any Toliara, hoy i Mory Clément Mpanolotsaim-paritany teo aloha, mpikambana feno ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara.

Mahafantatra sy maharaka tsara ny zava-misy eo amin’ity sehatra ara-toekarena ity ny lehilahy satria efa nitana ny toerana Talen’ny indostria sy ny varotra ary ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina tao an-toerana. Eo amin’ny vidin-javatra dia nambarany fa tafakatra 1000 Ar ny kapoakan’ny kabaro sy tsaramaso ankehitriny any Toliara. “Trangan-javatra tsy mbola hita mihitsy tany an-toerana izany”, hoy izy. Maro ny orinasa nanakaton-trano ka anisan’izany ny Hasyma, hoy ity tompon’andraikitra ity. Ny hotely dia betsaka no miditra amin’ny fampandehanana ny mpiasa any amin’ny “chômage technique” fa vitsy na tsy misy mihitsy ny mpanjifa.

Mihena ny fahatongavan’ny sambo any an-toerana noho ny tsy fahampian’ny entana haondrana any ivelany, hany ka voatery manofa kaontenera hoentin’ny fiara vaventy mamonjy sambo any Toamasina ireo mpandraharaha misahana ny fanondranana trondro sy makamba. Eo amin’ny toe-draharaha ara-politika dia nambaran’i Mory Clément fa tsy milamina mihitsy ny ao Toliara ao fa mafampana lalandava. “Mitaky ny fitoniana politika ny FAT”, hoy izy, “nefa mampiditra am-ponja olona tsy mitovy hevitra foana hatramin’izao. Mbola takianay hatrany ny hamoahana ireo gadra politika rehetra any an-toerana izay efa tsy nanao fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona niaraka tamin’ny fianakaviany”.

 
Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT