Nitrangana halatra omby narahina vono olona indray tany amin’ny Distrikan’i Morombe, faritra Atsimo Andrefana, afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any, tao amin’ny Fokontany Manampoha 5 km miala ny renivohitry ny Kaominina Ambahikily mihazo an’i Morombe manamorona ny lalam-pirenena faha-9.
Raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia dahalo am-polony nirongo basy no nanafika tao amin’io tanàna io. Omby 15 no very. Tsy nisy sahy nivoaka ny olona, ka nigalabona ireo mpangalatra omby. Efa dify ireo malaso vao niantso mpitandro filaminana ny mponina. Ora iray latsaka kely taorian’io, miaramila mitondra ny galona lietna no nanoina ny antso vonjy, ka tonga tao Manampoha.
Taorian’ny fanarahan-dia dia raikitra ny fifandonana tamin’ireo dahalo. Maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra nahavoa azy ilay lietna. Lasan’ ireo olon-dratsy ihany koa ny basy «kalach» nentiny. Niatsinanana nihazo ny Distrikan’i Manja ny dian’omby rehefa avy niampita ny reniranon’i Mangoky. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo dia mangataka ny hisian’ny «opération» fampandriantany ny vahoaka any an-toerana mba hiverenan’ny fitoniana sy fahalemana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.