Actualités

Moramanga Voasazy ny maka sy mivarotra kitay menaka


  • Zoma 18 Aprily 2014

Lehilahy iray, mpangalatra «mandina» na «kitay menaka» 20 gony no tratry ny zandary ao anatin’ny vondrontobim-paritra Moramanga ny alarobia 09 aprily teo.

 Mbola misy olona fito karohina, mpandray sy mpanakarama azy ireo tao amin’ny Kaominin’Andaingo. Araka ny didim-pitondrana laharana 164-FIV/AZK/E tamin’ny 11 oktobra 1999 natao tao Ambatondrazaka dia voarara ny fitrandrahana, ny fitondrana ary ny fivarotana «mandina» manerana ny faritra. Noho io no antony isamborana ireo olona ireo. Ala 60 ha no potika vokatry ny fikikisan’ireo mpaka mandina ny foto-kazo kesika akana azy. Ny taona 2011 no tena nampirongatra ny fangalarana ity mandina ity, indrindra mandritra ny fotoana tsy fanaovana asa eny an-tsaha. Entina aty Antananarivo ary amidy 15.000 Ar ny iray gony aminy. Nodorana teo imason’ny rehetra moa ireo kitay fandrehitra ny alatsinainy 14 aprily hanaporofoana fa tsy azo atao ny maka azy ireny no manimba ilay kesika maniry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT