Hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny fikambanan’ireo mpamokatra mofo dipaina matihanina sy ny solontenan’ireo mpanjifa. Hosandaina 400 ariary mofo dipaina iray milanja 105 grama manomboka amin’ny alahady voalohan’ny volana martsa 2015 izao. Io no vokatry ny fifandresahan-dahatra efa naharitra 1 volana teo amin’ny roa tonta ka
nojerena manokana tamin’ny diniky ny andaniny sy ny ankilany ny tombontsoan’ny mpanjifa. Anisan’izany ny tolotra kalitao izay tsy ho poakaty intsony sy ny fampitomboana ny habeny, araka ny fifanarahana. Tamin’ny taona 2004 moa no niakatra farany ny vidin’ny mofo dipaina raha nisondrotra tsy misy farany kosa ny lafarinina sy ny solika izay akora roa fototra tena fampiasa amin’ny famokarana mofo dipaina, hoy ireo mpikambana ao amin’ny ABP. Ao anatin’ny fotoana voafetra ihany anefa ny azo hitazomana io vidiny io ka tokony ho jeren’ny fanjakana akaiky ny vahaolana azo hifanampiana amin’izy ireo, araka ny fanampim-panazavana azo teny amin’ny ministeran’ny Varotra Ambohidahy omaly.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.