Efa tohanam-pontsiny indray ny orana vao mahery vaika ny fahatapatapahan-jiro eto an-drenivohitra sy ny manodidina nefa tsy varatra milatsaka na rivotra mifofofofo fitsoka. Tsy maraina, tsy antoandro tsy hariva ny fahatapahana fa dia tampoka tsy mampilaza toy ny fiavian’ny mpangalatra ny delestazy
. Laharanom-baovao tsy miankina iray no nahafantarana fa tsy mihodina amin’izao ny foibe famokarana herinaratra an’ny orinasa Henri Fraise ao Tsiazompaniry, hisorohana ny fiakaran’ny rano izay mety hanohintohina ny barazy ao an-toerana. Tamin’ny 2011, fotoanan’ny tetezamita, no efa nanomboka nihodina ity foibe famokarana manana tanjaka 5,2 MW ity, saingy nangingina tsy notokanana izy tamin’izany. Anisan’ny mamatsy an’Antananarivo ny herinaratra mivoaka ao, ka mety ho isan’ny antony mampisy io delestazy ankehitriny io ny tsy fihodinany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.