Actualités

Mitombo hatrany ny fandresena Misokatra ny AAA Tiko sy MBS


  • Alatsinainy 25 Jona 2018

Misokatra ny orinasa AAA Andranomanelatra amin’izao fotoana izao, ka fisaorana no atao antsika satria maro no nangataka ny fisokafany na teto an-kianja na tany anaty tambajotran-tserasera, hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny sabotsy lasa teo.

 
 Tsy hisaotra ny governemanta aho satria tsy misy hidirany izany, fa ny filankevi-panjakana na ny “Conseil d'Etat” no hisaorana satria nahalala fa ny fanakatonana ny MBS dia resaka politika, fa na ny tetezamita na ny fitondrana izao dia mbola niteny sy nampirina ny dosie. Noho ny fitakiantsika no nanaitra ny ny Filankevi-panjakana, ka namoaka ny didy hahafahan'ny MBS mandeha, hoy ity depiote ity. Nambara teny an-kianja fa ny fitaovana no nomena ny TVM fa tsy ny “licence” akory, ka izany no nangatahantsika ny fampiatoana ny didy nanakatona ny MBS. Mandiso avy hatrany ny fanaratsiana sy famendrofendroana amin’ny fisian’ny fifanarahana politika an-tsokosoko ho sandan’ny fisokafan’ny MBS sy ny Tiko tany ho any io fanambarana io, raha halalinina. Nanamafy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa fa maro no milaza fa nisy ilay fifanarahana politika ary mampiseho an'izany eran'ny tambajotra sosialy, ambarako eto anefa fa tsy nisy izany fa fangalarana sonian’i Marc Ravalomanana no nataon'ireo namoaka azy. Aoka hazava fa raha fifanarahana ara politika tsy vitan'olona 2 fa lasa fifanarahana tsotra, hoy hatrany ity mpahay lalàna ity. Efa tamin'ny andron'i Didier Ratsiraka no nisy ny organisation de l'unite Union Africain ary na ny OUA aza tsy hain'ireo nanao iny fifanarahana iny, ary tamin'ny tany Adis Abeba sy Maputo no nisy ny « mouvance » fa tsy izao intsony satria efa eto ny filoha Ravalomanana. Tsy hanao sonia fifanarahana vendrana be ny filoha Ravalomanana fa fandrebirebena vahoaka.  Niezaka tsy mamaly isika fa any amin'ny fifidianana no hotsaraintsika izy ireo, hoy ny depiote Hanitra Razafimanatsoa mantsy ireo vahoaka marobe teny an-toerana.

Toky R sy J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT