Tsy mbola vita ny fisahanan’ny Jirama ny fikarohana ireo andian-jiolahy nangalatra ilay tariby na herinaratra vita amin’ny Viraty, mampitohy an’i Volobe sy Toamasina renivohitra nirefy 120m tsy ela akory izay,
dia ny alakamisy 21 jona nifoha ny zoma 22 jona teo indray nisy nangalatra ihany koa ny tariby mirefy 500m, tao amin’ny tambajotra miditra ny tanànan’i Tanandava. Tsy fantatra intsony na ankasomparana atao amin’ny ekipan’ny Jirama Toamasina vaovao izao halatra mirongatra tampoka izao, na vokatry ny halatra tsotra fotsiny izay hanaovan’ny talen’ny Jirama Toamasina Toto Jean de Dieu fiaraha-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny andrimasom-pokonolona amin’ireo tanàna sy fokontany andalovan’ny tambajotra Volobe Toamasina II sy Betainaomby Toamasina I satria raha mbola hitohy izao dia mananontanona ny olana ara-kerinaratra ao Toamasina ary hiteraka voka-dratsy mandritra ny fetim-pirenena ihany koa ny zavatra hitranga amin’ny famatsiana herinaratra. Ny zoma teo ihany dia niezaka namerina ilay 500m very ny teknisian’ny Jirama Toamasina, satria ilain’ny Jirama amin’ny fifehezana ny herinaratra mandritra ny fotoana mahabetsaka ny fampiasana ny herinaratra (pointe) ao Toamasina, indrindra amin’ny alina ny tambajotra Volobe Toamasina II – Betainaomby Toamasina I. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny ekipan’ny talen’ny Jirama Toamasina Toto Jean de Dieu sy ny mpitandro ny filaminana ny alin’ny akalamisy sy ny zoma teo io ihany koa no nahatrarana olona iray nampiahiahy azy ireo, ka nisy ny fisamborana avy hatrany azy io izay misy ny fakana am-bavany azy ny tenany naomboka ny sabotsy hamantarana ny tena marina momba azy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.