Actualités

Mitaraina ny tantsaha any Alaotra Tratry ny tsindrihazolenan’ny Fanalamanga…


  • Alatsinainy 17 Septambra 2018

Nijoro nanomboka ny volana aogositra 2017 ny Fikambanan’ny tantsaha faritra Alaotra.

 

 Mpikambana an’alina izy ireo ary ao anatin’ny faritra ahitana ny fanalamanga, izay nidina an-dalambe ny herinandro nivalona teo. Tonga ny mpiasan’ny Fanalamanga niaraka tamin’ny miaramilan’ny DAS (Détachement Autonome de Sécurité) niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana miaro fandrahonana sy fanongotana barazy. Antony dia tsy avela mipetraka amin’ny tany nonenany hatramin’izay, raha ny fitarainana. Tsy avela hitrandraka na hamboly fa roa 2 metatra miala amin’ny sisin-tanimbary ihany no azo ipetrahana sy volena. Raha sendra mba misy tantsaha mitondra saribao kely roa gony hatrany Maheriara Morarano Chrome hatrany Antsirinala, dia enjehina sy alaina an-keriny kanefa io no mba hiveloman’ny mponina. “Ny DAS ve natao hiaro ny vahoaka sa ny tombontsoan’ny Fanalamanga ?”, hoy izy ireo. Miangavy ny mpitondra fanjakana hijery akaiky ny zava-misy izy ireo fa sao hivadika zavatra hafa ity raharaha ity, hoy hatrany ny fanehoan-kevitr’ireo tantsaha eo anatrehan’ny fahatsapany fa iharan’ny tsindrihazolena ry zareo.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT