Tsy mbola nahazo valiny hatramin’izao momba ny fanairana amin’ny fomba fitantanana ankehitriny ny fiarahamonim-pirenena. Raha tsiahivina dia ny 6 aprily lasa teo no nanaovan’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena na ny CCOC izany.
Anisan’ny andraikitry ny fiarahamonim-pirenena ny mitaky amin’ny mpitondra fanjakana ny fanazavana ny fanarahany fenitra momba ny atao hoe : ‘Fanjakana tsara tantana”. Fanontaniana sivy no napetraky ny vondron’ny firaisamonim-pirenena tamin’izany, ary ilam-baliny avy amin’ny FAT saingy hatramin’izao moa dia toa niantso an-tany efitra ihany izy ireo. Ao anatin’izany fanontaniana ilana valiny izany àry ny momba ny fandaharan’asa entin’ny fanjakana manatsara ny fiainam-pirenena eo amin’ny sehatra ara-toekarena sy sosialy, ny fototra nanapahana sy niaingan’izany fandaharan’asa izany sy ny hanamarinana ny ho fahombiazana. Takian’ny fiarahamonim-pirenena amin’ny anaran’ny mangarahara ihany koa ny fahafantarana izay asa tanterahin’ireo minisitra sy mpikambana eo anivon’ny FAT amin’ny andavanandro sy ny vokatr’izany asa izany. Fa ankoatra ireo dia nagatahan’ny CCOC fanazavana ihany koa ny momba ny fitantanana ara-bola. Ao anatin’izany ny vola sy ny fitaovana entina handoavana ny karama sy hamatsiana ny fandaniam-bolam-panjakana, ny famatsiana ara-bola ireo rafitra vaovao natsangan’ny FAT toy ny CENI sy ireo eo anivon’ny mpitandro ny filaminana.
Takian’izy ireo koa ny hilazana izay fiavian’ny vola hoenti-manana ny fifidianana kasain’ny FAT hatao. Heverin’ny CCOC ihany koa fa mila hampahafantarana ny vahoaka ny momba ny fari-piainan’ny mpitondra, manomboka any amin’ny filohan’ny FAT, ireo mpikambana ao amin’ny FAT ary ireo minisitra eo anivon’ny governemanta sy ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Ny karama sy ny tombontsoa raisin’izy ireo dia tokony havoaka ampahibemaso. Fanontaniana koa no apetraky ny fiarahamonim-pirenena ny amin’ny hoe aiza ho aiza ny fampiharana ny lalàna 2004-030, andininy voalohany sy faharoa ary ny 183.2 izay mametraka fa ny mpitondra fanjakana dia tokony hanao fanambaram-pananana ?
Mitaky valiny mazava ireo, hoy ny vondron’ireo fiarahamonim-pirenena satria zon’ny vahoaka, izay mizaka ny vokatry ny fitantanana, ny mahafantatra ny vokatry ny hetsika ataon’ny Fanjakana. Tokony hatoky ny mpitondra azy koa ny vahoaka. Izany fitokisana izany dia toa tsy hita firy intsony, efa am-polony taona vitsivitsy izao, nefa ilaina raha te handroso, na ny isam-batan’olona na ny daholobe. An-kilany, rehefa tompon’andraikitra eo amin’ny Fanjakana, manomboka amin’ny faratampony ka hatramin’ny iva indrindra amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, dia tokony hampiseho ny mangarahara mikasika ny ataony rehetra sy ny faripiainany, raha tsy izany izy tsy hitokisan’ny vahoaka. Hatramin’izao anefa dia tsy nahazo izay valiny ny CCOC, araka ny vaovao. Midika inona loatra ny fahanginana eo anivon’ny FAT manoloana ireo fanontaniana sivy mankadiry ireo izay takiana raha te hiroso amin’ny fanovana ny fomba fiasa sy fitondrana ny firenena, araka izay nodradrainy tamin’ireny tolom-bahoaka tamin’ny fotoan’androny ireny ?
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.