Actualités

Mitady vary ny FAT Tranombarotra fito natao «perquisition»


  • Zoma 11 Febroary 2011

Nanao be midina tao Toamasina, araka ny baiko niainga avy eny Ambohitsorohitra, ekipan’ny prezidansy niaraka tamin’ny miaramila avy amin’ny FIS sy ny Emmo-Nat ary ny FIP ary ny Talen’ny varotra Toamasina, nisava sy hanao fanagiazana ireo vary ao anatin’ireo magazain’ireo mpamongady sy mpanafatra vary.

Nisy mihitsy noho izany ny fakana antontan-taratasy hanaovana «perquisition» nataon’ity iraka manokana ireto teo anivon’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Toamasina. Mitranga izany rehetra izany, 48 ora mialoha ny hahatongavan’ny filohan’ny FAT ao Toamasina rahampitso sabotsy, raha tsy misy ny fiovana, hametraka ny vato fehizoron’ilay hopitaly manara-penitra ny ao amin’ny tokotanin’ny Magro Morafeno. Anton’ity be midina ity dia ny filazana fa «misy manafim-bary ireo mpamongady sy mpanafatra vary ireo mba hampiakatra ny vidiny, ka amin’izay dia hitroatra ny vahoaka ka hampihozongozona ny fitondrana tetezamita, izay nanome toky fa hampidina ny vidim-bary».

Miankina amin’ny tatitra ataon’izy ireo amin’ny fisian’ny vary maro anaty magazain’ireo mpamongady sy mpanafatra vary kosa ny «ordonnance de réquisition», raha hita fa mitombina ilay fanafenam-bary nambaran’ny filohan’ny FAT nandritra ny filankevitry ny ministra. Araka ny fantatra dia tranombarotra miisa fito no ao anatin’ny lisitra mainty ka voakasik’izao fisavana vary nanomboka omaly tao Toamasina izao. Ny ankamaroany anefa dia ireo tranombarotra niara-niasa tamin’ny FAT ihany tamin’ny famarotana ilay lafarinina sy ny varin’ny TIKO SA teo anivon’ny seranan-tsambo ny taona 2009 sy 2010.

Raha ny zava-misy ao Toamasina dia misy hatrany vary amin’ny vidiny manodidina ny 1.500 ariary sy 1.600 ariary, fa saingy tsy mahasarika olona satria sady ratsy no be vato kely. Raha ireo vary makalioka sy vary gasy be mpitady sy mpividy, na efa nihena be aza ny famatsiana azy, dia mananiky ny 1.900 ariary sy 2.000 ariary ny iray kilao efa ho roa herinandro izao. Ho hita eo moa ny vokatr’ity «perquisition» izay hiafara amin’ny «réquisition» na figiazana vary ity.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT