Actualités

Misy manetsika “gros bras” Karamaina 20.000Ar isan’olona hanakorontana


  • Alakamisy 17 Febroary 2011


Misy fanangonana andian-tanora be sandry na “gros bras” indray miainga eny ambany tanàna eny. Araka ny fantatra aza dia efa navory tamina hotely iray teto Andrenivohitra ny sasany, teny Amboditsiry sy Talatamaty teny kosa ny sasany amin’izy ireo omaly. Resaka any anaty bar no andrenesana fa omanina hamerina ny zava-nitranga tamin’ny alahady 25 janoary 2009, tamin’ny niverenan’Atoa Marc Ravalomanana, filoham-pirenena tamin’izany, an-tanindrazana rehefa avy tatsy Cape Town, Afrika Atsimo, ireto andian-jatovo ireto. Roa alina ariary isan’olona ny karama amin’io.

Hitsofoka any anatin’ireo vahoaka hitsena an’Atoa Ravalomanana izy ireo, dia handrava sy hamotika fananana, handratra olona ary hampihorohoro mazava loatra. Hanasoketana iretsy mpitsena ho mpanakorontana no antony ary dia hiditra mora foana ny mpitandro ny filaminana amin’ny fisamborana. Tsy nisy voatohintohina na voakitikitika ara-pitsarana koa moa izy ireny mandrak’ity ny anio ka lasa tsimatimanota.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT