Actualités

Misaona indray ny fanaovan-gazety Lasa koa i Zo Rakotoseheno


  • Alatsinainy 23 Jolay 2018

Herinandro vitsy taorian’ny fodiamandrin’ireo Olobe miisa 2 teo amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety, Charles Andriatsitohaina sy Lantomalala Rasata, izay nialohavan’ny fahalasanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena mbola tanora vao herotrerony, Rojo Andriatsarahoby,

 dia nodimandry omaly koa ny talen’ny famoahana teo aloha teo anivon’ny gazety Midi Madagasikara, Zo Rakotoseheno. Tsy ny tontolon’ny fanaovan-gazety Malagasy ihany moa no misaona noho izao fodiamandry izao fa ny avy eo anivon’ny antenimierandoholona satria dia izay asa maha loholon’i Madagasikara izay no asa niandraiketany farany nialoha izao fahalasanany izao. Fahatairana tampoka, raha ny loharanom-baovao no nahatonga izao fahafatatesany izao saingy mbola eo am-panatontosana ny fanadihadiana moa ny tompon’andraikitra.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT