Actualités

Misaona indray ny asa fanaovan-gazety Malagasy Nodimandry omaly i Christophe Haja


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Misaona indray ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika. Namoy ny ainy omaly maraina teny amin’ny hôpitaly HJRA Ampefiloha teo amin’ny faha-44 taonany ny namana Rasolonomenjanahary Christophe Haja,

 

 

 

 

 mpanao gazety diso fantatra loatra teo amin’ny feony izay nanakoako tao amin’ny onjam-peon’ny Radio Tana. Vokatry ny aretina izay efa nikiky azy hatramin’ny ela ka nidirany  hôpitaly nandritra ny roa andro monja no anisan’ny antony nitarika ny fahafatesany, raha araka ny fantatra. Tamin’ny taona 1995 no efa niditra teo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety izy  raha tsiahivina kely ary tao amin’ny Radio Antsiva no nanombohany izany asa izany. Tamin’ny taona 2008 kosa no  nifindrany tao amin’ny Rta. Ankoatra ny fananany traikefa manokana momba ny vaovao ara-panatanjahantena sy fitantatarana mivantana ny lalao baolina kitra dia maro be ihany koa ireo karazana fandaharana efa novokariny sy nahafantarana. Ankoatra izany dia mpanao gazety eo anivon’ny ORTM ihany koa ny vady andefimandrin’i Christophe Haja ary izy kosa dia mpikambana feno ao amin’ny AJSM  “Association des Journalistes Sportifs Malagasy”.  Eny an-tokantranony eny Ankadindramamy no handrasana ny nofo mangatsiakany. Namela mananon-tena sy kamboty mirahalahy i Christophe Haja. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo izahay eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana.

 

Pati/Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT