Tato ho ato, araka ny tsikaritry ny polisy, vokatr’ireo fitarainana voarainy, dia mirongatra ny vaky trano ao Toamasina. Raha ny fanazavana dia miverina mampiasa ireo fomba famakiana trano fahiny ireo andian-jiolahy. Misy ireo andiam-pianakaviana mihitsy, mpanao izany, satria “pince coupante” sy ny “barre
à pince” ary ny “tourne vice” no ampiasain’izy ireo ; manginy fotsiny ny « fonoka » ho fampatoriana ny ao an-trano. Tranga iray no tratran’ny polisy avy ao amin’ny « Force d’Internention de la Police » (FIP) ambodiomby ny alatsinainy tokony tamin’ny 03ora maraina teo tao Valpinson. Tsy nahare na inona na inona ny tao an-trano vaky na eo am-pitaterana ny entana tao an-trano ireto jiolahy 04, ny mpiaramonina nahatazana ireto jiolahy no nampilaza ny FIP izay tonga ara-potoana. Tsy afa-nandositra ingahy Sila Judicael mpitatitra ny entana tao an-trano, fa ireo namany 03 lahy kosa vao nahita ny polisy dia tafaporitsaka na eo am-pitaterana ny entana aza. Ny fahatongavan’ny polisy no nanaitra ireto fianakaviana nisy namaky trano. Anio no hiakatra fitsarana ny raharaha sy ingahy Sila Judicael tratra ambodiomby tamin’ity raharaha ity, eo am-pikarohana ny namany kosa ny FIP ankehitriny.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.