Loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana no nandrenesana fa nisy fisavana notontosaina tao amin’ny tranon’ny ministry ny asam-panjakana teo aloha, Noelson William.
Rehefa nanontanina anefa ny lehiben’ny Emmo-Reg dia nanazava fa tsy nisy olony velively nanao an’izany. Tsy anjaranay rahateo ny manatontosa an’izany satria tsy “police judiciaire” akory ny Emmo-Reg, raha araka ny fanazavan’io tompon’andraikitra io ihany. Rehefa nohadihadiana ihany dia fantatra tamin’ny loharanom-baovao hafa fa mety ny Bianco no tompon-kevitra tamin’io fisavana io. Faharoa tamin’ny olon’ny governemanta izay no niharan’ny toa izao, ankoatra ireo manamboninahitra teny amin’ny BANI izay misy mpikamban’ny FAT teo aloha. Izay ministra nesorina dia narahina endrika filam-baniny kely hatrany.
Toy izany ny tsy famelana hivoaka ny sisintanin’i Madagasikara, na koa fanadihadiana nosokafana momba ny fari-pananan’ilay olona voakasika. Ny mahatalanjona dia maninona no tsy hampiharina amin’izay olon’ny FAT rehetra ny fanadihadiana toa izao ? Zon’ny vahoaka ny mahafantatra ny vola miditra amin’ny olom-panjakana raha ny tokony ho izy. Zon’ny vahoaka ihany koa ny mahafantatra ny zava-misy ka hanenjehana azy araka ny lalàna raha misy ny toe-javatra tsy madio amin’ny fitantanana. Amin’izao fotoana dia lasa antsojay eo amin’ny samy olona ambony no mitranga. Ny vahoaka dia mitazam-potsiny ary tsy mahalala izay zava-misy toy ny mahazatra ihany…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.