Actualités

Minisitry ny fitsarana “Tsy mbola afaka i Claudine Razaimamonjy”


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Manoloana ny didy navoakan’ilay rafitra miady amin’ny kolikoly eto amintsika na ny PAC (Pole anti-corruption),

 

 

 izay nahatonga resabe fa afaka madiodio manoloana ireo fiapangana maherin’ny 10 isa mikasika kolikoly avo lenta ny mpandraharaha sady mpanolotsain’ny filoham-pirenena teo aloha, Claudine Razaimamonjy dia nitondra ny fanazavany ny minisitry ny fitsarana, Noro Vololona Harimisa. Ny PAC, hoy izy, dia rafitra tsy miankina. Tsy afaka mibaiko azy ny fitsarana. Hajaina ny didy avoakan’ity rafitra ity na mahafa-po na tsia ny fitsarana.  Diso kosa anefa ny filazana fa afaka madiodio ny mpandraharaha, Claudine Razaimamonjy. Ampahany tamin’ny fiampangana mikasika azy ihany no efa nivaly fa mbola maro ireo tsy nivaly. Mikasika ny fifaninanana hidirana ao amin’ny sekoly ambony momba ny fitsarana izay niteraka resabe ihany koa moa dia nilaza ny minisitra Noro Vololona Harimisa fa efa hivaly tsy ho ela izany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT