Nitondra firarian-tsoa sy hafatra amin'izao fiandohan'ny taona vaovao izao, i Harimisa Noro Vololona, mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, minisitry ny fitsarana ho an’ny mpitsara, ny mpiraki-draharahara ary ny mpandraharaha ny fonja.
Manao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy ny tenany mba tsy ho tratry ny fifanompana sy fifampihantsiana ary ny fifandrangitana amin'ny tambajotram-pifandraisana na karazana haino aman-jery manoloana izao raharaham-pirenena izao. Mangataka an’ireo mpiara-miasa aminy kosa ny minisitry ny fitsarana mba ho tony, ho modely amin'ny fihetsika sy teny havoaka, ka hitandro hatrany ny toetra takian'ny maha mpitsara, mpiraki-draharaha sy mpandraharaha ny fonja mendrika antsika, na inona na inona firehana politika misy antsika, hoy hatrany ny fanambarana. Teny ao amin'ny Soratra Masina, Ohabolana 3, 5-6 no namarany ny lahateniny hampaherezana ny tsirairay hamakivaky ity taona 2019 ity : « Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao ; maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny lalanao. »
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.