Actualités

MINISITRY NY FIAROVAM-PIRENENA Nijery ny olan’ireo foloalindahy tao Mahajanga


  • Zoma 20 Febroary 2015

Nitafa nivantana tamin’ireo foloalindahy Malagasy tao an-drenivohitra Boeny ny minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotozafy Dominique Jean Olivier nijery ny olana sedrain’ireo tafika ao anatin’ny fanatanterahana ny asany. Niainga avy eny amin’ny tobin’ny tafika an-dranomasina sy anabakabaka eny

 

Antanimasaja ny fitsidihana, nitohy tao amin’ny toby miaramila faritany fahefatra Androva ary niafara tamin’ny fihaonana tamin’ireo miaramila sy zandary rehetra tao an-toerana. Teboka telo samy hafa no anton-dian’ity lehiben’ny fiarovana ny filaminana eto Madagasikara ity dia ny fiarovana ny sisin-dranomasina sy hanabakabaka eto amin’ny nosy, ny fiarovana ny vahoaka ary ny ady atao amin’ny kolikoly. Nampahatsiahiviny tamin’ireo foloalindahy izay nihaona taminy fa zava-dehibe ho an’ny firenena ny fanatanterahana ireo rehetra ireo eo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nanamafy hatrany ny minisitra fa hojerena manokana ireo olona mibodo ny tanin’ny miaramila rehetra eto Madagasikara satria dia matetika no ahiahina ho misy bala milevina ao anatin’ny toerana fanazarantena ho an’ny miaramila ka sao dia hampidi-doza ho an’ireo vahoaka izay mipetraka ao anatin’ny tanin’ny foloalindahy izany. Hitety ny faritra maro manerana ny nosy ity fitsidihana ataon’ny minisitra Rakotozafy Dominique ity ka hatambatra avokoa ireo olana isam-paritra ka hisy ny fanampiana azy ireo eo amin’ny fiatrehana ny asany andavanandro.

                                                                                                                              Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT