Handoa ny karaman'ireo mpampianatra mpiasam-panjakana tapaka karama nandritra ny fitokonana nataony ny minisitry ny fanabeazam-pirenena vaovao Rabariniaina Paul fantatry ny maro tamin’ny anarana hoe Paul Rabary.
Hisy ny dinika hiarahany amin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny eo anivon'ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena manomboka izao. Mba hahafahana mamaha ny olana hatrany ifotony no antony ankoatra ny olana ara-politika izay tafiditra teo anivon'ity minisitera ity. Nambarany fa tsy azo ampiasaina amin'ny antoko politika intsony manomboka izao ny DREN sy ny CISCO mba hanaovana kongresy.
Nilaza i Paul Rabary fa tsy izy no handefa Emmo-Reg raha sanatria ka misy ny fitokonana ataon'ny mpampianatra. Tsy haniraka mpitandro ny filaminana hitoraka baomba mandatsa-dranomaso ihany koa izy no sady tsy hanapaka ny karaman'ireo izay manana olana aminy. Mikasika ireo mpampianatra FRAM indray dia nomarihin'ity minisitra tanora ity fa hiezaka ny tenany handray tsikelikely azy ireo ho mpiasam-panjakana na dia mahatratra 65.000 aza izy ireo ankehitriny.
Diso fantany loatra mantsy ny maharary ireto farany noho izy zanaka mpampianatra. Mialoha izany anefa dia nambarany fa hataony laharam-pahamehana ny fanomezana fiofanana ireo mpampianatra FRAM horaisina ho mpiasam-panjakana ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.