Actualités

Minisiteran’ny Varotra Mitokona ny mpiasa


  • Alakamisy 02 Aogositra 2018

Mitokona ny mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana etsy Ambohidahy amin’izao fotoana manoloana ny zava-misy ao anatin’ity minisitera ity, indrindra ny tsy fihainoana ny hetaheta sy ny fangatahana ary fanosihosena asehon’ny mpitondra amin’ny tolo-tanana ataon’ny mpiasa rehetra isan-tsokajiny.

Zavatra maro no takian’izy ireo, fa raha tsy izany dia mitohy ny fampikatsoana toy ny fanovana ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany (Staff) eo anivon’ny minisitera, fanovana ny fomba fiasa sy fomba fitantanana haompan’ireo mpitondra ho an’ny tombontsoany manokana. Tsy manaiky ihany koa ny fitsabahan’ny “staff-politique” amin’ny asan’ny “corps” izay marihina fa asan’ny “police judiciaire” nahazo fiofanana manokana … Manameloka tanteraka ny antsojay atao amin’ny filohan’ny sosialy, izay mitondra ny feon’ny mpiasa izy ireo. Mangataka ihany koa ny hisian’ny fangaraharan’ny fitantanana ny “compte de commerce”. Misy ihany koa ny olona milaza ho Tale Kabinetra miaraka amin’ny mpitantana vitsivitsy mitango vola tsy ara-dalàna any amina orinasa lehibe eto Analamanga, SAVA, Atsinanana izay manome endrika ratsy ny minisitera, ka takiana ny fialan’io olona io ato amin’ny minisitera ary tsy misy hatak’andro, hoy ireo mpiasa.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT