Actualités

Minisiteran’ny tontolo iainana Fandraisana mpiasa 40 mampiahiahy


  • Alakamisy 07 Jona 2018

Nitrangana zavatra tsy nampoizina teo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana tamin’ny alatsinainy lasa teo, fotoana nanaovan’ny praiminisitra teo aloha Solonandrasana Olivier fametraham-pialana.

Olona vaovao 40 be izao mantsy raha araka ny fanazavan’Andriafenomiarisoa Hery, mpitondra tenin’ireo mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana no indray noraisin-dRtoa minisitra Ndahimananjara Johanita ho mpiasam-panjakana raha mbola mahatratra 400 isa ireo mpiasa tsy raikitra  eo anivon’ity minisitera iray ity na ECD. Tena tsy rariny izany, hoy hatrany Atoa Hery nefa mbola nilaza hatrany ny minisitra fa manana olobe afaka hanosika azy hiverina amin’io toerany io ihany. Nanambara ary ireo mpiasa omaly fa olona tokony hahay mifehy tsara  ny harem-pirenena eto amintsika toy ny andramena sy ireo karazan-tsokatra….no hapetraka ho minisitry ny tontolo iainana fa tsy izay metimety eo. Nanamarika moa ireto mpiasa ireto fa tsy avelany raha tsy mivoaka avokoa ny marina sy ny tohin’ny tantara mikasika ireo sokatra nisy nikasa hanondrana tany ivelany dia tratra….

 

Pati

 

Legende : Andriafenomiarisoa Hery, mpitondra tenin’ireo mpiasa  eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo   iainana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT