Actualités

Minisiteran’ny serasera Misavorovoro


  • Alarobia 12 Septambra 2018

Tokony ho notanterahina omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny talen’ny kabinetra teo aloha, eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana etsy Nanisana, Dr Dieudonné Rakotoaridina sy ny vaovao

 

 

 

 Miary Rasolofoarijaona fa tsy raikitra. Tsy nety niroso tamin’izany itsy voalohany, izay notendren’ny minisitra Rahajason Harry Laurent fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe : Rolly Mercia. Tsy nambara mazava ny antony. Ny minisitra am-perinasa Riana Andriamandavy VII kosa no nanendry an’i Miary Rasolofoarijaona, ity farany izay mpanao gazety eo anivon’ny Radio Nasionaly Malagasy (RNM), ary talem-paritry ny serasera faritra Analamanga. Sekretera jeneralin’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara ihany koa izy. Hatramin’ny nanendrena ny minisitra Riana Andriamandavy VII dia mila ho isan’andro no andrenesam-baovao manamaloka ity tontolon’ny serasera ity. Nisy andiana mpanao gazety nilanja sorabaventy manohitra azy nandritra ny famindram-pahefana nifanaovany sy ny minisitra Rahajason Harry Laurent nodimbiasany toerana. Nisy indray, in-telo miantoana izay, ny fikasan’ny minisitra hanolo ireo tale eo anivon’ny ofisin’ny radio sy televiziona malagasy (ORTM) sy tale eo anivon’ny minisitera, fa savorovoro no niafarany ary mety taratr’izany ity famindram-pahefana tsy tanteraka omaly ity. Tonga hatrany amin’ny fitakiana ny fialan’ny minisitra ity mihitsy aza ny resaka amin’izao.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT