Tontosa ny zoma teo teny Antaninarenina ny fifamindram-pahefana teo amin’ny sekretera jeneraly vaovaon’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra (MPTDN) Atoa Briand Andrianirina sy Ramatoa Roby Nadia, sekretera jeneraly teo aloha.
Nandritra izany no nanambaran’ Atoa Briand Andrianirina fa vonona ny hanohy ireo asa efa natomboky ny mpitantana teo aloha izy, ary tsy hikely soroka ihany koa hitondra ny anjara birikiny ho fampandrosoana ny minisitera. Anisan’ny nohamafisiny matetika tao anatin’ny lahateniny ny hafatra ho an’ireo mpiara-miasa eto amin’ny MPTDN fa misokatra amin’ny fifampiresahana izy ary vonona ny hifampidinika amin’ireo mpiara-miasa, mba ahafahana mametraka fitoniana sy filaminana eo anivon’ny toeram-piasana, hitondra mankany amin’ny fampandrosoana ny minisitera sy ny mpiasa ao aminy. Tonga nanome voninahitra ny fifamindram-pahefana ny solontenan’ny SSM(Solidarité Syndicale de Madagascar ), notarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay sady filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara moa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.