Actualités

Minisiteran’ny paositra Niravona ny olana


  • Talata 07 Aogositra 2018

Fotoana manan-tantara omaly alatsinainy 6 aogositra nahavitan’ny fifanaovan-tsonia handravonana ny olana sy ny disadisa teo anivon’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra na ny MPTDN nantsoina hoe “Fifanekena”, ka handray ny asany ny mpiasa.

 Nisaotra ny praiminisitra sy ny minisitra ary ny sekretera jeneraly ny solontenan’izy ireo noho ny ezaka fitadiavam-bahaolana sy ny fahendrena nasehony. Tsy nisy na baomba mandatsa-dranomaso na fahatapahan-karama na iray aza, izay manamarina fa navelany hanao ny fitokonana, tsy noteriterena, fa afaka nitaky malalaka ny zony ny mpiasa.  Raha ny resaka natao tamin’ny minisitra dia avela ho vavolombelon’ny mpiasa ny bainga satria tsy mbola nandray ny fitantanana ny minisitera izy, dia efa nigrevy ny mpiasa izay fiarovana ny minisitera no antony satria efa nanome toky io minisitra io fa hanao ny faraheriny hampandrosoana ny minisitera sy ny mpiasa ao aminy. Natao ambony ny soatoavina Malagasy hoe ny hisavorovoroan-kilatoana satria ny hevitra no niady fa tsy ny olombelona, koa aoka ny lasa homba ny lasa ary tsy hisy hanao andolom-po fa efa miravona izao ny olana ka ny tombontsoa ambonin’ny firenena no hololohavina an-tampon’ny loha, hoy ny minisitra Maharante Jean de Dieu. Aleo ny bainga mivadika no vavolombelon’ny mpiasa, hoy ny fampanantenany.  Ho an’ny tombontsoan’ny mpiasa, tsy hajanona amin’ireo efa novaliana fa atao ambonimbony kokoa. Misy ny hantahantan’ny mpiasa amin’ny hanaovana nofon-kena mitam-pihavanana hanamafisana ny fiombonana, ka nanolotra omby iray ny minisitra. Manome 5 tapitrisa ariary ihany koa ho an’ny mpiasa hiatrika ny fifaninanana AJF izy, ary mirary azy ireo hibata amboara.  Misy kosa ny zavatra tsy tonga dia azo tapahina eo no ho eo fa angatahina amin’ny minisitry ny vola,  ka dia haseho mangarahara amin’ny mpiasa hoe io ny taratasy fangatahana satria misy mihoatra ny fahefana ka tsy azony tapahina,… Ho tsara laza ary hamiratra sy hisandratra ny minisiteran’ny paositra manomboka eto, raha ny fampanatenan’ny mpiasa sy ny mpitantana tarihin’ny minisitra Maharante Jean de Dieu.

Toky R sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT