Anisan’ny nisongadina nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahana omaly alarobia 27 jona ankoatra ny toromarika isan-karazany avy amin’ny filoham-pirenena ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony maro.
Singanina manokana ao anatin’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana satria dia tompon’andraikitra ambony miisa 13 be izao no nosoloina ary 4 no vao notendrena. Anisan’ny nosoloina ny tonian’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana tampony ka miandraikitra izany indray manomboka izao Atoa Andriatianarivelo René José ; ny lehiben’ny filankevi-panjakana na ny conseil d’etat izay lasa Atoa Ratovonelimalala Denis ankehitriny. Voatendry ho sekretera jeneraly vaovaon’ny minisiteran’ny fitsarana ihany koa Atoa Randrianarimanana Tsantatiana Salama, ary handray ny toeran’ny tale jeneralin’ny fanofanana eo anivon’ny ENMG na ny sekoly mpanofana mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana Rtoa Rakotoarisaona Tiana Lucette ary voatendry ho talen’ny fianaran’asa, fanaraha-maso sy fanaovana tomban’ezaka Atoa Imbiky Herilaza. Nafindra andraikitra kosa Atoa Napou Jeremie izay talen’ny serasera teo amin’ny minisiteran’ny fitsarana hatrizay ka lasa talen’ny fandraharahana ny fonja ho an’ny faritra Atsinanana fa Atoa Rakotoarison Ranaivo Frédéric kosa no lasa talen’ny serasera vaovao. Tompon’andraikitra vaovao miisa 14 ihany koa no voatendry omaly eo anivon’ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo, raha 5 ireo noesorina tamin’ny toerany ao amin’ny minisiteran’ny jono.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.