Tsy mbola misy miasa ireo mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy etsy 67 ha hatramin’izao, mikatso tanteraka ny asa.
Tsy misy na dia mpiandry raharaha (service minimum) aza mandra-pialan’ny minisitra am-perinasa Atoa Maharante Jean de Dieu, hoy i Yves Rakotonomenjanahary tompon’andraikitry ny serasera ao an-toerana. Mbola vao mainka hihamafy ny hetsika raha mbola Atoa Maharante Jean de Dieu ihany no averina ho minisitry ny asam-panjakana eo aorian’ny fivoahan’ny lisitr’ireo minisitra ao anatin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena. Raha tsiahivina, antony maro no manosika ireo mpiasa eo anivon’ity minisitera iray ity hanala ny minisitrany. Ao ny hamaroan’ireo fianakavian’ity minisitra ity ao anaty minisitera, ny tsy fanajana ny fotodrafitrasa ao an-toerana … . Efa ho tapa-bolana mahery no nitokona ireo mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana etsy amin’ny 67 ha ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.