Tontosa omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka vaovao Kolo Roger sy ny nodimbiasiny Ramaroson Vaomalala Olga.
Fotoana izay nanambaran’ny minisitra ny fandaharanasany ihany koa. Ao anatin’izany ny fanatsarana ny fomba fiasa sy fampitaovana ny hopitalim-panjakana anivon’ny Faritra sy Distrika ary Kaominina manerana ny Nosy, ny fampihenana ny tahan’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza, ny ady amin’ny areti-mifindra. Manana vina hanangana toeram-pitsaboana lehibe handraisana ireo mila fitsaboana maika (centre d’urgence) koa ny tenany satria maro, hoy izy ny Malagasy no tsy manam-bola hitsabo tena any ivelany. Tsy misy maharatsy velively ny fanaovana fananganana fotodrafitrasa vaovao saingy tsy ny efa mijoro ve ny laharam-pahamehana na koa ny fampidinana ny saram-pitsaboana mbamin’ny vidim-panafody ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.