Actualités

Mihamafy ny tolona sendikaly Mikatso ny firenena, sahirana ny mpitondra


  • Zoma 13 Jolay 2018

Raikitra indray ny diabe niala teny Ambohijatovo nihazo an’Antaninarenina sy Anosy niarahan’ny Faribon-tsendikaly na ny SSM omaly.

 Na dia efa napetraka any amin’ny praiminisitra aza ny sori-dalana na ny TDR (Terme de reference) mikasika ny teboka lehibe hifantohan’ny tolona sendikaly, ka hisian'ny fifampiresahana hamahana ireo fitakiana samihafa, dia tsy mbola misy vahaolana tanteraka, hoy ireo mpitarika. Tsy voavaly na tsy mahafa-po azy ireo mandrak’androany ny fitakiana, toy ny an’ny mpampianatra mpanabe, ny fitakian'ny mpitatitra … Tsy voafaritra any anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ny famahana ny fitakiana misy resa-bola, ary ho an’ny mpampianatra manokana, dia zary efa diso fantatry ny mpampianatra ny tenin’ny praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny fanabeazana Horace Gatien, fa mba efa 155 miliara ariary no natokana hamahana ny olan’ny mpampianatra, saingy io mihamafy io nuy tolona na misy aza ny karazana vono afo. Efa nandeha ihany koa anefa ny tenin’ny minisitra, fa tolona tsy madio sy misy ambadika politika io. Efa somary adinodino ny tolona politika, ary manomboka manozongozona fitondrana indray ny tolona sendikaly satria zavatra maro no mikatso. Ny zavatra takiana hafa, dia ny famerenana ireo mpiasa voaroaka tsy ara-dalàna toy ny tao amin’ny Air Madagascar, Jirama, SMMC Toamasina sy ny maro hafa, izay fanatanterahana didim-pitsarana, saingy iniana tsy raharahiana. Aiza ilay hoe tany tan-dalàna ? Sa resaka ambony latabatra fotsiny ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT