Actualités

Miangatra ny fanjakana Sendika maro no hanatevina ny tolona


  • Talata 03 Jolay 2018

Vao mainka nampiakatra ny hambom-pon’ny sendika maro, toy ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe, S3MF (Sendikan’ny Mpampianatra Mpampiofana avy amin’ny sehatry ny Fampanan’Asa sy ny fampianarana ara-teknika ary fanofanana arak’asa), FM2F (Mpiasan’ny Fanabeazana manerana ny nosy), ny CNAPMAD, ny CNaPS,…

 

 ny endrika tsy firarahian’ny fanjakana, ka vao mainka tonga maro teny amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ireo omaly. Na nisy aza ny fitakiana fa tokony hampidirina ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFR), izay nolaniana ny faran’ny herinandro teo tamin’ny alalan’ny depiote 34 monja ny fitakiana, dia tsy izay no niseho. Voalaza anefa fa hatrany amin’ny 1,8 miliara ariary ny vola avy amin’ny fanjakana hamaliana ny fitakian’ny mpitatitra, fa marenina kosa ny mpitondra eo anatrehan’ny fitakian’ny sendika maro. Vola tany anaty kitapom-bola manjavozavo tany ho any izany io an’ny mpitatitra io, izay toa midika fa misy ny volabe tsy mazava any ho any, tsy ao anaty kitapombolam-panjakana. Ny andron’ny 5-6 jolay izao, dia hisy ny hetsika hataon’ny Randram-baon’ny sendika na ny SSM eny amin’ny Kianjan’ny demokrasia eny Ambohijatovo hanamafisana ny tolona. Mitohy anio manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolona eny an-kianja.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT