Actualités

Miandrivazo Zazavavy 7 taona nisy nanolana, zaza miisa 6 nisy nanapoizina


  • Sabotsy 26 Aprily 2014

Trangan-javatra mampalahelo no nitranga tany amin'ny Distrikan'i Miandrivazo ny alakamisy lasa teo. Zazavavy kely iray 7 taona no naolana lehilahy iray efa 37 taona.

 Notambatambazany vola, nividianany mofo ilay tovovavy. Simba tanteraka ity farany rehefa niray taminy. Ny fitarainan'ilay zaza vokatry ny hirifiry tamin'ny fivaviany no nahalalan'ireo ray aman-dreniny ny marina. Rehefa tonga teny am-pelatanan'ny mpitandro ny filaminana moa ny raharaha dia fantatra fa efa nisazy tany am-ponja ity lehilahy nanolana zaza tsy ampy taona ity.

Ankoatra izay dia ankizy enina mianadahy izay iray tampo avokoa no fantatra fa nisy nanapoizina tamin'ny sakafo tany amin'ity Distrika ity ihany. Niara-torana izy ireo taorian'ny nihinanany ilay sakafo, araka ny vaovao azo. Tsy nahazaka izany anefa ny iray ka namoy ny ainy raha naiditra hopitaly kosa izy dimy ambiny. Raha araka ny vaovao azo moa dia mpiara-monina ihany no nahavanon-doza.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT