Nampahafantatra ny APIPA omaly alarobia fa mahtratra 3,95 m ny haavon’ny reniranon’Ikopa eny Bevomanga. Mety mbola hiakatra ny rano noho ny rotsak’orana maharitra ary efa tena atahorana ny hisian’ny tondra-drano eto amin’ny lemak’Antananarivo raha toa ka mahatratra 4,00 m ny haavon’ny reniranon’Ikopa
. Nanamafy tamin’ny alalan’ny SMS naparitaka tamin’ny mponina teto Antananarivo avy eo ny hariva ny BNGRC ary nilaza fa efa ao anatin’ny FANAIRANA MAVO ny eto Antananarivo, izany hoe loza manambana. Mety hiakatra ny rano noho ny orana koa iangaviana ny rehetra hiala amin’ny faritra iva, tsy hivezivezy amin’ny renirano sy ny fefiloha. Tokony ho mailo noho izany ny rehetra, tsy honohono fa loza mety hitranga ny fahatondrahan’ny rano eto Antananarivo Renivohitra noho ny fiakaran’ny rano. Fahendrena ny miala avy hatrany amin’ny faritra iva satria tsy mampilaza mialoha ny loza rehefa ho avy. Andrasana ihany koa ny fandraisan’andraikitra faran’izay haingana avy amin’ny BNGRC sy ny fitondram-panjakana amin’ny ankapobeny satria matetika tsy manana toeran-kafa aleha ireo olona eny amin’ny faritra iva no mahatonga azy tsy mety miala eny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.