Actualités

Me Willy Razafinjatovo « Diso ireo mpiambina ny praiminisitra ! »


  • Alarobia 19 Septambra 2018

Ny kortezin’ny filoham-pirenena, ny fiara mpamonjy voina, ny fiara mpitondra marary, fiara mpitondra razana.

Ireo no tena antsoina hoe « voiture prioritaire », hoy ny mpahay lalàna, Willy Razafinjatovo, na Ôlala. Mety misy koa angamba ana lehibena rafi-panjakana sasantsasany. Tsy maintsy ialohavana motara ireny raha ny tokony ho izy. Ankoatra ny fiara mpitondra marary sy mpamonjy voina ihany angamba. Lasa mifamahofaho be ny mikasika ilay mpialoha lalana ny praiminisitra nandona ankizy 2, hoy izy. Misy mamahan-dalitra vahoaka mihitsy na ny eny anivon’ireny toeram-pianarana mitondra fiara ireny na ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Diso izay milaza fa afaka manao izay tiany ireny fiara voalaza teo ireny afa-tsy ilay mpitondra marary sy mpamonjy voina. Adiny iray mialoha dia efa tokony hisy mpisava lalana. Na kortezy aza izy dia diso. Ao maorisy, ohatra, tsy misy ambony noho ny praiminisitra fa tsy misy manakorontana fifamoivoizana izany fa manaraka fitohanana toy ny rehetra. Manana ny zony ny vahoaka ka tsy tokony hailika. Eo amin’ny resaka sazy kosa, raha mandray ilay loza mikasika ireo zaza 2, dia mety harovan’ny praiminisitra ireo mpiambina azy. Ny dikan’izay dia tokony ho izy no manome famaizana azy. Eo anefa mbola fahavoazana fanindroany ho an’ny firenena koa satria matetika dia tsy ilay mpitondra fanjakana no mandoa ny “dommage d’intéret” fa ny fiantohana.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT