“Betsaka ny fanakianana anay vadintany amin’ny fandravana trano, na fandroahana olona amin’ny tanin’olona iray. Tsy mpandrava trano no asanay fa mpampihatra didim-pitsarana ihany”.
Izay no nambaran’ny Me Rasamimaka Mahefalahy, delegen’ny vadintany ao Toamasina eo anivon’ny holafitra. Nambarany fa matoa tonga amin’ny fandravana trano, na fandroahana olona dia efa didy raikitra izy izay, na misy didy ady maika avy amin’ny filohan’ny fitsarana ihany koa. Tsy nisalasala ity vadintany ity niteny, fa ny filohan’ny fitsarana sy ny mpampanoa lalàna ary ny minisitera ihany no afaka mampitsahatra ny fanatontosana ny didim-pitsarana momba ireny ady tany ireny, arakaraka ny fahitany ny tranga mety hateraky ny fandravana trano na fandroahana olona. Ankoatra izay anefa, dia nomarihan’ity delegen’ny vadintany ao Toamasina ity, fa na misy aza ny alahelo sy hatezerana amin’ny olona iharan’ny didy dia tsy maintsy atao ireny ho fiarovana ny Repoblika sy ny vahoaka Malagasy mandidy anay hanao izany araka ny lalàna, hoy hatrany i Me Rasamimaka Mahefalahy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.