Manomboka ny asa fanatsarana ny orinasan-tserasera Malagasy Broadcasting System (MBS) eny Anosipatrana ankehitriny.
Efa hatsaraina ny ao anatiny toy ny fanafoana ny trano ny fanamboarana ny toeram-pivoahana. Ny ety ivelany koa efa fefena ny faritra aty amin’ny fanasana fiara ary hasiana vavahady vy. Efa tsy misy fiara mijanona intsony eo. Raha hiverenana, hatramin’ny 2009 nandoroana sy nanapotehana io toerana io dia gaboraraka tanteraka ny teny an-toerana. Nalana avokoa ny tafo sisa tsy may, ny vy tao anatiny. Lasa natao garazy fanamboarana fiara mihitsy aza. Ny tety ivelany moa dia lasa fanasana fiara hatramin’izao. Ankehitriny efa nodiovina hatramin’ny tatadrano ary efa mihatsara ny tontolo manodidina. Tsy ho ela dia lasa faritra mahate ho tia toy ny teo aloha Anosipatrana.
Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.