Actualités

May kila forehitra ilay fiara 404 Bachet Mpandeha am-polony no naratra mafy


  • Talata 24 Febroary 2015

Mpandeha tamina fiara 404 bachet iray no niharan-doza. Zotra mampitohy an'Amboasary Atsimo sy Tolaganro. Tao amin'ny tanàna Manatantely La Cascade no nitranga ny loza ny alahady faha 23 febroary tamin'ny 6ora hariva

 

. Tsy fantatra marina izay tena antony fa nivadika tampoka teo ilay fiara ary tsy nisy horaisina na dia kely aza satria tsy vitan'ny hoe simba fa mbola kila forehitra (may tsy nisy azo noraisina). Saika naratra avokoa ireo mpandeha. Voalaza fa akoatra ny fandehanana mafy sy ny taingim-be  no tsy tompon'ny tenany  ilay mpamily. Amin'izao fotoana andefasana ny vaovao izao, mbola manaraka fitsaboana ao amin'ny C.H.R.R. Amboanato ireo naratra ireo. Ny telo amin'ireo tsy mbola nahatsiaro tena vokatry ny dona mafy nahazo azy ireo. Na teo aza  ireo voatanisa teo aloha anisan'ny nahatonga ny loza ny maha antitrabe ny fiara. Tokony mba hosarotiny ireo mpitandron'ny filaminana manoloana ny tranga toy izany.Ain'olona raha teo no arovana.

 

OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT