Banga ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika. Taorian’ny nahafatesan-dRandriatsitohaina Charles, lehiben’ny vondrona Ultima Media ny sabotsy teo ary nalevina omaly dia namoy ny ainy omaly maraina teny amin’ny Hopitaly HJRA
Ampefiloha ihany koa ny namana mpanao gazety Maurice Tsihavonana, talen’ny famoaham-baovao eo anivon’ny On Air Radio. Teo amin’ny faha-58 taonany izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao, ka vokatry ny homamiadan’ny tsinay no voalaza fa tena nahafaty azy. Miisa efatra ireo kamboty navelany ary dimy ny zafikeliny. Raha tsiahivina, vao iray volana lasa izay no nanan-draharaha teny amin’ny tobin’ny zandarimariam-pirenena Betongolo Itompokolahy vokatr’ilay raharaha vono olona feno habibiana nahazo ilay mpamiliny, Maurice ihany koa, nitranga tao an-tokantranony, izay lasa resabe. Mbola niantso mpanao gazety Itompokolahy taorian’izay, antony tena nanaitra ny maro omaly. Tao amin’ny Radio Tsioka vao moa no tena nahafantaran’ny maro azy voalohany, avy eo niasa tao amin’ny orinasan-tserasera Viva, ary talohan’ny nahafatesany dia tao amin’ny On Air Radio. Efa avy mpiraki-draharaha sy Kaonsily jeneralin’i Madagasikara tany Marseille ny tenany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny ankohonany izahay eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.