Actualités

Marovato –Andilamena Mpibizina novonoin’ny dahalo


  • Talata 13 Mey 2014

Miverina faritra mena amin’ny asan-jiolahy ankehitriny ny Distrikan’Andilamena. Lasibatra amin’izany ireo mpanao aferam-bolamena sy ny mpivaro-mandeha.

 Mpibizina volamena iray no nifanehitra tamin’ny dahalo ny herinandro lasa teo tao Marovato Andilamena. Malaza ho mora volamena any an-toerana ka mifandrombaka mandeha any avokoa ny ankamaroan’ireo mpibizina ireny harena ankibon’ny tany ireny. Efa manara-maso ny fahatongavan’izy ireo koa anefa ny jiolahy. Raha ity tranga tao Marovato ity dia nampalahelo satria ny volamena kely mba voangona lasan’ny dahalo, ny vola teny am-pelatanana nentin’ireo tsy valahara ary ny aina nafoy. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo dia nidina any ambanivohitra mikaroka ireo izay heverina fa olon-dratsy tsy mampandry fahalemana ny Distrikan’Andilamena ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Mampitandrina izy ireo fa tsy hitsitsy ho an’ireo izay tsy tan-dalàna ka mampihorohoro iny Distrika iny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT