Actualités

Mariazin’ny Printsy Harry sy Meghan Markle 141,6 miliara ariary nolaniana tamin’ny fitandroana ny filaminana


  • Talata 22 Mey 2018

Mariazina mpanjaka, nanetriketrika ny an’ny Printsy Harry sy Meghan Markle ny sabotsy lasa teo tany Londres.

 

Manodidina ny 37 tapitrisa euros na 141,6 miliara ariary ny vola natokana ho an’ny fitandroana ny filaminana satria olo-manan-kaja sy mpitondra fanjakana maro manerana izao tontolo izao no nanatrika ny lanonana. An-tapitrisany euro ny akanjo mariazy mitondra ny marika Givenchy nanaovan’i Meghan Markle ary tsy maintsy nanintsana 3 kilao ny Printsy Harry mba hitsatoka tsara ny akanjony. 2 miliara ny olona maneran-tany nanaraka mivantana ny lanonana ary mihoatra ny 6 tapitrisa ny fanehoan-kevitra tamin’ny tweeter momba ny fanambadian’izy roa. Mpilalao sarimihetsika Amerikanina ary metisy mainty hoditra moa i Meghan Markle. Taorian’ny fanamasinana ny mariazy tao amin’ny Eglizy Saint George tao Windsor moa dia niara-nifaly tamina vahiny notsongaina manokana miisa 200 Frogmore House fonenan’ny Printsy Charles ny mpivady vao ary tsy nisy afa-tsy ilay mpaka sary Brtianika Alexi Lubomirski irery ihany no nahazo alalana nipika sary.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT