Niondrika am-panajana teo anatrehan'ny maty vokatry ny fifanosehana tetsy Mahamasina nialoha ny lalao baolina kitra nihaonan’i Madagasikara sy Sénégal ary nampionona ireo fianakaviana teny amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha i Marc Ravalomanana mivady omaly alahady 9 septambra,
raha vantany vao nandre ity toe-javatra mampalahelo ity. Nankahery ireo niharam-boina sady nirary fahasitranana haingana ho an'ireo naratra izy. Nialoha io, nanatrika ny fivoriambe faharoan'ny synaodamparitany Atsinanan'Ankaratra Fahazavana tao Ambatolampy ny tenany amin’ny maha filohan’ny komitin’ny Jobily faha-50 taonan’ny Fiangonana FJKM azy. “Isika no fahazavana sy fanasina” no lohahevitra. Ny tanjona dia ny hanala ny fahasahiranan'ny mpiara-belona sy ny hiady amin'ny kolikoly. Mila fiovan'ny toe-tsaina, mila fahasahiana, koa mampirisika hatrany amin'ny fijoroana vavolombelon'ny asa sy ny finoana, hoy i Marc Ravalomanana tamin’izany. Ny zoma teo dia nihaona tamin’ny vahoakan’i Mahajanga ny tenany ka nanehoany hevitra mikasika ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana. Nambarany fa efa fanirian’ny vahoaka Malagasy ny fifidianana maika izay tiany hitondra azy. Vao mainka hampitombo ny fahasahiranam-bahoaka sy ny fahoriana raha mihemotra io fifidianana io sady tsy mahasoa antsika sy tsy manaraka ny lalàmpanorenana, raha ny nambarany. Ny vahoakan’Antsirabe indray no hihaona aminy ny sabotsy 15 septambra izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.