Na any ampitan-dranomasina aza dia nahatsiaro manokana ny Vahoaka Malagasy ny filoha Marc Ravalomanana tamin’izao andron’ny Noely 2010 izao. Nisy ny hafatra nataony, ho firariantsoa.
“Miarahaba ny vahoaka Malagasy rehetra manerana ny Nosy aho, sy manerana izao tontolo izao ! Amin’ity andro krismasy ity, vanim-potoana iray lehibe amintsika kristianina, ny fahatsiarovana ny naterahan’ny Mpamonjy, izay fantatsika ary inoantsika rehetra fa nomen’Andriamanitra ho antsika, hisolo heloka antsika, hamonjy antsika amin’ny zavatra rehetra, hanampy antsika ary indrindra hampiray antsika indray Aminy.
Koa amin’izao fotoan-tsarotra izay diavin’ny firenentsika izao dia mahafaly ahy indrindra ny miarahaba antsika Vahoaka Malagasy rehetra, tratr’ity krismasy 2010 ity. Mahafaly ahy indrindra no miantso ny vahoaka Malagasy rehetra mba samy handini-tena ary hanitsy sy hamaritra mazava ny lalana tokony hizorantsika mba hamerenana indray ilay fifankatiavana toy ny nitiavan’Andriamanitra antsika, nanolorany ny zanany lahitokana ho antsika. Amin’ity krismasy 2010 ity no iarahabako ny Vahoaka Malagasy iray manontolo amin’ny fahasahiana sy ny herim-po ananany ka ijoroany mandrakariva ny fitakina hamerenana ny ara-dalàna sy hiverenan’ny fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Amin’ity andro krismasy ity no isaorantsika ny firenen-drehetra eran-tany, tsy ela akory fa vao alina ny Papa Ray Masina no nanao hafatra ho an’izao tontolo izao, indrindra fa ho antsika Malagasy mba hisian’ny fandriampahalemana eto amin’ity Nosy malalantsika ity. Koa mahafaly ahy ny miarahaba ny Vahoaka malagasy rehetra nahatratra ity krismasy 2010 ity.
Enga anie hitondra antsika ho amin’ny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny fifankatiavana sy fandrindrana ny fihavanana indray, hanafoana tanteraka ny fifankahalana ao am-pontsika ao ary hampijoro marina ny finoana sy ny faharetana, indrindra indrindra ny fanantenana. Mba hananantsika izany finoana izany dia mangataka mafy amin’Andriamanitra isika hampijoroany antsika sy hametrahany antsika amin’ny toerana sahaza ny vahoakan’Andriamanitra dia ilay toeran’ny fifankatiavana ilay toeran’ny fisian’ny fihavanana. Mangataka mafy amin’Andriamanitra àry isika mba hiverenan’ny fandriampahalemana eto amin’ity Nosy malalantsika ity.
Ry Vahoaka Malagasy, amin’izao fifampiarahabantsika nahatratra ny Krismasy izao, tsy ny kristianina irery ihany fa isika manontolo mihitsy dia samy handray andraikitra hahatsiaro tena fa tsy maintsy miankina amintsika tsirairay avy aloha ny hisian’ny fifankatiavana sy ny fifamelana ary ny hanalavirantsika ny fankahalana. Nanolotra ny zanany lahitokana ho antsika Andriamanitra hampijoro sy haneho antsika ny lalana tokony hizorana ary ny fahafoizan-tenantsika, indrindra ny hametrahantsika amin’ny toerana sahaza azy, izany hoe tombontsoam-pirenena izany, ny fitiavana ny taranaka. Miantso antsika Malagasy rehetra ary aho mba hiray feo sy hiombom-bavaka ka izao Krismasy izao no vanin’andro hisian’ny fifankatiavana, hisian’ny fandriampahalemana.
Miantso antsika rehetra àry aho amin’izao fifampiarahabantsika izao, miantso antsika rehetra àry aho amin’ity Krismasy ity mba ho krismasy sambatra tokoa anie, mba ho krismasy feno fanantenana tokoa anie, ary mba ho Krismasy tena hanjaka ao am-pontsika izany fifankatiavana izany. Hanampy antsika, homba antsika ary tsy hahafoy hahasaraka antsika anie Andriamanitra amin’izany, hijoroana ary ny fahatokisana azy izany koa dia mametraka ny fiainan’ny firenentsika sy ny fiainantsika tsirairay avy fa mahefa ny hery rehetra Izy ary mahavita ny zavatra mahagaga toy izao mitranga tamin’ny nahaterahan’ny Tompo izao.
Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra ary isika rehetra dia ho samy hahatratra ny Krismasy mitsingeringerina indray hihaona soa aman-tsara.
Izao fiarahabana ataoko izao dia miantefa amintsika rehetra amin’izao fahasahiranana, amin’izao tsy fisiana, amin’izao fitomanina fangirifiriana mahazo an’ireo olona any amin’ny toeram-pitsaboana, mahazo ireo Malagasy any am-ponja, indrindra ny mahazo antsika rehetra amin’ny tebiteby isan’andro noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana.
Matokia ahy, minoa ahy ary fa ho tafaverina soa aman-tsara eto amin’ity firenentsika ity ny fandriampahalemana, ny fifankatiavana, indrindra ny famerenana indray amin’ny laoniny ny fiainan’ny Vahoaka Malagasy sy ny famerenana indray ny fiainan’ny firenentsika mba hanjakan’ny filaminana sy ny fandriampahalemana.
Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra ho amin’izao fiarahabana nahatratra ny krismasy izao. Samia ho tahian’Andriamanitra !”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.