Actualités

Manodidina an’Antananarivo Maro ireo trano miorina tsy misy fahazoan-dalana


  • Alatsinainy 13 Aogositra 2012

Ny fanotofana tany sy ny fananganana trano, samy tsy misy fahazoan-dalana no anisan’ny olona goavana momba ny lafintany eto Antananarivo sy ny manodidina.

 Raha ny lalàna dia tsy maintsy anaovana fangatahana alefa eo anivon’ny sampandraharahan’ny fanajariana ny tany (SRAT) Faritra Analamanga etsy Ambatomena ny fanorenana rehetra na trano izany na tamboho ihany koa. Matetika anefa no tsy voahaja izay indrindra amin’ireo Kaominina manodidina ny renivohitra araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny SRAT. “Manara-maso ny maha ara-dalàna ny antotan-taratasy avy amin’ireo kaominina ny SRAT. Raha mihoatra ny 1000m2 ny haben’ny velaran-tany anorenana dia alefanay amin’ny Ministeran’ny fanajariana ny tany mba hanomezany fahazoan-dalana. Raha latsaka izay kosa dia ilay kaominina ihany no manome ny fahazoan-dalana”. Notsindriany koa fa tsy mahasolo ny fahazoan-dalana manorina mihitsy ny fanomezan-dalana avy amin’ny fokontany.

Manoloana ny hamaroan’ny tranga fandikan-dalàna momba ny fanorenana izay dia nomena fiofanana momba ny lalàna amin’ity sehatry ity ireo Ben’ny tanàna sy ny teknisianina eo anivon’ny Kaominina. Narahana fampiharana avy hatrany izany ka nisy ny fidinana teny Ivato Firaisana niarahan’ireo mpiofana, ny SRAT ary ny Ministeran’ny fanajariana ny tany. Nahatratra fandikan-dalàna roa izy ireo tamin’izany ka ny voalohany dia mahakasika ny fanararaotana fanatsarana trano efa antitra iray tsy nangatahana alalana akory nefa fanamboarana ny fahavoazana tamin’ny rivodoza no voalazan’ny tompony fa hanaovana asa. Fanorenana vaovao tsy misy taratasy kosa ny tranga faharoa. Nasaina natsahatra moa ny asa amin’ireo trano roa ireo mandra-pandamin’ny tompony ny antontan-taratasy ara-panjakana. Raha ny voalazan’ny SRAT dia mateti-piseho ny toe-javatra toa ireo.

 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT