Nifanjefo tamin’ny alalan’ny fifamaliana tora-bato sy baomba mandatsa-dranomaso indray ny mpianatry ny anjerimanontolo sy ny Emmo-reg omaly.
Nanapa-kevitra nidina an-dalambe teo amin’ny Fiantsonan’ny fiara 119 mantsy ny mpianatra omaly, ka raikitra ny fandorana kodiarana. Tsy niandry ela ny mpitandro ny filaminana fa tonga nandrava ny fitakiana, izay tao anatin’ny faritry ny anjerimanontolo hatrany nanomboka ny 28 jona, ary niarahana tamin’ny mpampianatra mpikaroka amin’ny alalan’ny SECES Antananarivo sy ny mpandraharaha eo anivon’ny anjerimanontolo ny hetsi-pitakiana. Niha nafana kosa ny grevy ho an’ny omaly, ka niafara tamin’ny fivoahana ny faritry ny oniversite, saingy tsy nanaiky lembenana ihany koa ny mpitandro ny filaminana. Raikitra ny fidirana ny faritry ny oniversite nataon’izy ireo taorian’ny fifampihantsiana tamin’ny tora-bato sy baomba mandatsa-dranomaso, izay vao mainka nampafana ny fifandonana. Nanameloka ny fiakaran’ny mpitandro ny filaminana tao anatin’ny faritry ny oniversite moa ny SECES, ny mpandraharaha, ary ny mpianatra izay miray feo amin’ny tolona manoloana ny tsy fivahan’ny fitakiana samihafa. Fitakiana iraisana, ohatra, ny fanesorana ny « agent comptable » noho ny fitantanana tsy mazava, ny vola fampandehan-draraharaha haloa ara-potoana,… Tetsy an-kilany anefa, dia efa nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fiadidiana ny oniversite, fa voarara ny fandravana fampianarana sy famoahana mpianatra rehefa misy ny hetsi-pitakiana, ary hisy ny fampiakarana filankevi-pifehezana (CODIS), ary ho avy ny sazy henjana ho an’izay manao izany. Ny tena vahaolana aloha tsy misy hatreto manoloana ny fitakiana sesilany, fa fampitandremana ho an’ireo mpitaky aza no mirarakopana. Izany ve tsy fandranitana sy fihantsiana ady ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.