Misy trangana pesta atody tarimo na « Peste bubonique » voalaza fa hita tany Ankazobe, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana, izay andrasana ny tena fanamarinana sy fampitam-baovao ofisialy mikasika an’io.
Re kosa fa nikoropaka ny eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana. Nezahina nafenimpenina ny momba an’io satria ahiana hisy akony ratsy amin’ny raharaham-pirenena. Mety hiteraka fihemoran’ny fifidianana, ohatra, raha mihanaka eo tokoa ny resaka pesta, izay tsiahivina fa nandripaka olona teto amin’ny firenena ny taon-dasa tamin’ny vanim-potoana tahaka izao satria efa maherin’ny 200 no maty tao anatin’ny volana vitsivitsy. Nisy akony betsaka tamin’ny raharaham-pirenena izany, toy ny fikatsoan’ny fampianarana, ny savorovoro teny amin’ny fiarahamonina toy ny ady razana teo amin’ny fianakavian’ny maty sy ny iraka haka ny razana izay tsy azo nalevina am-pasan-drazana. Hisy akony ratsy ho an’ny raharaharam-pirenena, dia ny fihemoran’ny fifidianana io, raha tsy maintsy ho tonga amin’ny toe-draharaha tsy maintsy handraisana fepetra tsy azo hivalozana, izay voafaritry ny lalàmpanorenana. Ny hirariana dia tsy hisy ary hofehezina ny mety ho fipariahan’ny valanaretina mampihombo ny fahoriam-bahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.