Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny Polisim-pirenena amin’ny asa fampanarahana ny lalàna eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.
Ny alin’ny alarobia, 21 mey dia ny faritra Ambohimanarina sy ny manodidina no nanaovan’ny Polisy avy ao amin’ny Commissariat Central Tsaralalana sy ny avy ao amin’ny boriborintany fahenina Ambohimanarina fisafoana. Nanakatona ireo toeram-pivarotana toaka toy ny Bar sy ny Epi-Bar mbola misokatra taorian’ny tamin’ny 9 ora alina. Nialoha izao bemidina nataon’ny Polisy izao dia efa nisy ny famoriana mialoha ireo mpivarotra toaka ireo ny tolakandron’ny zoma 16 mey, tao amin’ny Biraon’ny Boriborintany faha-6 Ambohimanarina, nampahafantarana azy ireo ny lalàna mifehy ny asa fivarotana zava-pisotro mahamamo sy ny fepetra horaisin’ny Polisim-pirenena. Tsy nisy Bar nisokatra na dia iray aza teny an-toerana rehefa nipaika ny tamin’ny 9 ora alina ary olona miisa 9 no voasambotra noho ny tsy fitondrana kara-panondrom-pirenena sy fanaovana maloto teny amin’ny arabe ary mampiahiahy ka nohadihadiana teny anivon’ny biraon’ny polisy eny Ambohimanarina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.