Dia arahabaina aloha ry Jean fa dia vita tokoa izato lapan’ny tanàna ary dia hoe hiditra amin’ny Repoblika fahefatra indray koa. Dia fety hipoapoaka, araka ny fahaizanareo azy izany io amin’ny sabotsy io. Toa hoe hisy ny afomanga, artista maro be sady ireo kalaza no hanafana ny lanonana. Dia maninona anefa izany sady hitondra inona tokoa ? Amin’izay, dia hoe ianareo no hanolotra azy. Toa karazan’ny fandatsana ihany izany ry Jean manoloana izato fahoriana. Dia tena izany tokoa ve no laharam-pahamehana amin’izao andro sarotra izao ka hanadinoana ny krizy ry Jean sa dia mba karazan’ny mihaingo ambony tsikoko ihany isika ity ? Sendra tsaroako tokoa ry Jean, mifanohy amin’izay ihany, korontana sy loto ary fofona anie no manodidina izao Lapa hotokananareo izao io e ? Tsy dia sanatria fitiavana na finiavana hanakiana be fahatany ry Jean fa dia tena mahatsikaiky izato fihetsiketsehana be hataonareo. *
Ny vahoaka anefa miady mafy amin’ny fiainana izay tsy mitsaha-miakatra ny vidiny, tsy resahina intsony ny tsy fandriampahalemana mampandry tsy lavo loha. Ianareo anefa hanao fety, fitokanana miaraka amin’ny hanim-pitoloha, hanakarama mpanakanto fanta-daza ary dia hoe hanafatra ireo mpihira vahiny efa tany amin’ny taona 80 tany. Raha mba misy vola hanaovana an’izany ry Jean nahoana raha mba hampiana tosika ny Tsena Mora, mba hitarina aty amin’ny faritra fa dia mijaly koa anie izahay e! Afomanga angaha azonay hanina ? Ary mba avy aiza daholo ny vola na ny nanaovana ny Lapan’ny tanàna, na ny hanaovana ny fety amin’ny sabotsy e ? Dia hoe tena manam-bola tokoa angaha Rafanja kanefa raha tena misy izany, mba jereo akaiky ny sosialy izay hita fa tena tsy voafehinareo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.