Actualités

Manakara Sinoa lahy valovotaka nisy naka an-keriny


  • Alatsinainy 02 Jona 2014

Nirefodrefotra ny basy tao an-tsenan’i Manakara, renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny alin’ny sabotsy 31 mey teo.

 Mpandraharaha sinoa zanatany iray no nisy naka an-keriny. Tratra hariva tao am-pivarotana izy, ka iny nivoaka ny toeram-pivarotany hamonjy fodiana iny indrindra izy no nisy telo lahy, nitondra basy kalaky roa sy PA iray, nanery azy hiditra tao anaty fiara kely Peugeot 205 miloko “beige” sady nidaroka vodibasy ny lohany. Naratra noho izany ny tenany. Nahavita nanohitra ihany anefa ary tafavoaka tao anaty fiara ilay mpandraharaha sady niantso vonjeo. Nalaky vory ny Fokonolona, tao an-tsena rahateo no nitrangan’ny fanafihana. Sady nanapoaka basy no nitsoaka tamin’ny fiara ireo olon-dratsy. Fotoana fohy taorian’izay dia nisy fiara 4X4 nandalo teo amin’ilay toerana nisian’ny fanafihana sady nirifatra. Telo andro talohan’io dia nisy andian’olona mampiahiahy nihaodihaody niaraka tamin’ny fiara 4X4 tany Ilakatra, Kaominina ambanivolo iray any Manakara. Nisy mpandraharaha iray, izay sinoa valovotaka ihany koa, nanara-maso asa tany an-toerana tamin’io fotoana io. Mailo tamin’ny fihetsik’ireo io mpandraharaha io ka nametraka sakana tamin’ny lalana miazo ny faritra nitoerany. Mipetraka ny fanontaniana ireo tany Ilakatra ireo ihany ve ireto nikasa haka an-keriny ity mpandraharaha tao Manakara ity, ary tafiditra tao anatin’ny lisitra nokendren’izy ireo koa ve ilay mpandraharaha sendra tany Ilakatra ? Mandeha ny fikarohana ireo fiara ireo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT