Nitokona tsy nety nandray marary ny mpitsabo rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana any amin’ny Distrikan’i Mampikony, Faritra Sofia, omaly.
Antony dia tsy fankasitrahana tamin’ny nampidirana am-ponja ny Ben’ny tanànan’i Mampikony izay mpitsabo ihany koa voasoketa tamin’ny fahafatesana olona marary saina. Niezaka nandamina ny raharaha ny talem-paritry ny fahasalamana Sofia. Raha ny fangatahan’ireto mpitsabo nitokona ireto dia ny hamoahana tsy misy hatak’andro an’ity Ben’ny tanàna naiditra am-ponja ity. Etsy an-daniny, mimenomenona ny vahoaka tsy afa-mitsabo tena vokatry ny fitokonana, ka manao antso avo sy manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra hamahana haingana ny olana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.