Actualités

Mamofompofona bizna “Saphir” 250 kilao nentina aty Tana ?


  • Alakamisy 03 Febroary 2011


“Avy ao amin’ny valan-javaboary tao Ivoloina no nalaina ilay bolongam-bato. Nisy toeram-pitrandrahana nahitana vato sarobidy tao ary nibosesika nivezivezy tany ny mpanao aferam-bato”, araka ny loharanom-baovao avy any Toamasina. Rehefa nohadihadiana tamin’izay mety maharaka ny raharaha indray dia nolazain’ireo fa “saphir” ireo vato hita tao Ivoloina ireo ary zanaka mpitondra fanjakana teo aloha no tompony. Nihazakazaka ireo solontenan’ny olona ambony ao Anosikely telo lahy raha vao nandre izany. Misy mpanam-bola iray niaraka tamin’izy ireo. Teo ihany koa ny fisian’ny lehilahy iray izay mpanao haiady ary mpampikotrana miaramila, raha araka ny vaovao azo hatrany.

Tany Toamasina indray dia nisy ny fihaonan’ireo CST ireo tamina tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana. Raha ny feo mandeha dia nisy ny tsy fankatoavan’ny mpitandro ny filaminana an’izany. Nitatra ny fihaonana nataon’ireo CST ireo. Tsy fantatra izay tena voaresaka tao fa dia afaka nivoaka soa aman-tsara ny renivohitr’i Betsimisaraka ilay bolongam-bato sarobidy ary efa tonga soa aman-tsara eto an-drenivohitra. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena tompony sy izay nanafenana azy. Raha nanontaniana ny mpitandro ny filaminana dia nahita tokoa ireo 4X4 maromaro izay niaka-nidina tamin’ny RN2 ary mirifatra toa ireny olom-panjakana ireny, saingy tsy afaka nanao na inona na inona. Madinika ny tena ary mena ambonin’ny mena, raha araka ny fanazavan’izay sendra nanontanianay. Mazava ho azy fa mamofompofona bizna indray ity raharaha ity, toy ny efa mahazatra ihany.

 
r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT